28/04/2026
Salama tompoko *Raha tsy milaza 💚 ianao dia omeko ny an’ny MATAVY* satria io no be olana indrindra
ROUTINE MARAINA - 2 MIN*
1. *Sasao @ rano matimaty* - tsy mafana be
2. *Asio savony mainty kely* - kosohy 30 segondra, AZA KIKISANA
3. *Kobanina tsara* - maina amin’ny serviette MANOKANA, AZA KOSENA
4. *Asio tantely 1 goutte* - apetaho @ faritra misy mony 5min dia kobanina
5. *ASIO MASOANDRO* - Tsy maintsy! Raha tsy misy dia mihamafy ny menaka
# # # # *ROUTINE HARIVA - 5 MIN*
1. *Sasao @ savony mainty* indray
2. *MASQUE ALOE VERA*:
- Tapaho ny aloe, alao ny gel fotsy ao anatiny
- Asio @ tarehy manontolo 15min
- Kobanina @ rano matimaty
- *Nahoana?* Manala menaka + manasitrana mony + tsy mampamaina
3. *Aza asiana na inona na inona* - Matory tsy misy crème
# # # # *FADY 7 ANDRO:*
❌ Tsy mikasika tarehy @ tanana maloto
❌ Tsy manindry mony - hametaka takaitra
❌ Tsy misotro zava-pisotro misy siramamy: coca, jus boaty
❌ Tsy mihinana menaka be: menakena, saosisy, chips
✅ Misotro rano 8 vera/andro
✅ Matory 7 ora
---
# # # *INONA NO HITRANGA?*
*Andro 1-2:* Toa maina kely - NORMAL. Mi-adjust ny hoditra
*Andro 3-4:* Mihena ny famirapiratana. Mony vaovao tsy mipoitra
*Andro 5-7:* Mihamalemy ny mony taloha. Tarehy tsy mangirana intsony @ 12h
*MAKA SARY:* Andro 1 anio maraina, Andro 7 rahampitso herinandro. Eo @ varavarankely, tsy misy filtre. Io no PREUVE-nao ho avy.
---
# # # *RAHA MAINA NY HODITRAO KOSA:*
*Ovay kely:*
1. *Aza asiana savony mainty isan’andro* - 1 @ 2 andro ihany
2. *Asio tantely + ronono 1 sotro* afangaro atao masque 20min isan-kariva
3. *Aloe vera + menaka oliva 2 goutte* alohan’ny hatory
---
# # # *TENA ZAVA-DEHIBE:*
*Tsy misy traitement mahagaga 1 andro.* Raha misy mivarotra “crème manala mony @ 24h” dia *LAINGA BE* izany.