10/05/2026
260510
- Malagasy
Fitsidihana ny trano fisakafoanana Shizuku.
Tamin'inty indray mitoraka inty i Wakako san izay mpilatsaka an-tsitrapo ao amin'ny JICA dia nampianatra teny japoney sy nanentana atrik'asa fampianarana "origami"( haingo vita amin'ny taratasy naforitra) . Tahaka ny teo aloha moa dia nandray anjara mavitrika ny hakamaroan'ireo mpiasa.
Nahitana atsik'asa fampianarana "origami" inty indray mitoraka inty ary tamin'io ireo mpiatrika no nahafantatra voalohany izany atao hoe "origami" tamin'ny alalan'ny fanamboarana fitoerana hazo fisakafoanana "baguette" sy ny fonon'ireo. Nisy tamin'ireo mpiasa no nahavita izany haingana tokoa ka nampahatsiahy ahy ny fahaizan'ny Malagasy mampiasa ny tanany. Ny trano fisakafoanana moa dia mikasa hampiasa ireo famoronana "origami" ho an'ny mpanjifan'izy ireo ary afaka entina mody izany raha tiany.
Manaraka izany, Shizuku dia nametraka "bar à sushi" vaovao izay hevitra avy amin'i tompony sy i Chef Shoji san. Manomboka izao ireo mpanjifa dia afaka mijery mivantana ny fanamboaran'i Shoji san ireo sushis sy sakafo japoney hafa. Eo am-panamboarana ihany koa ny toeram-pisotroana zava-pisotro misy alikaola sy ireo efitrano manokana samihafa. Tsy andriko sahady ny ahita ny vokatr'ireo asa fanamboarana ireo.
- Français
Visite au restaurant Shizuku.
Cette fois encore, Wakako san, volontaire de la JICA, a animé un cours de japonais ainsi qu’un atelier d’origami. Comme lors de la précédente session, presque tout le personnel a participé avec beaucoup de motivation.
Un atelier d’origami a également été organisé cette fois-ci, et les participants ont découvert l’origami pour la première fois en réalisant des porte-baguettes et des étuis à baguettes. Certains employés les ont même fabriqués très rapidement, ce qui m’a rappelé à quel point les Malgaches sont habiles de leurs mains. À l’avenir, le restaurant prévoit d’utiliser ces créations en origami pour les clients, qui pourront également les emporter s’ils les apprécient.
Par ailleurs, Shizuku a récemment installé un nouveau bar à sushi grâce à l’idée du propriétaire et chef Shoji san. Les clients pourront désormais observer directement Shoji san préparer les sushis et d’autres plats japonais devant eux. Un bar servant de l’alcool ainsi que des salles privées sont également en cours d’aménagement, et j’ai hâte de voir le résultat une fois les travaux terminés.
- 日本語
雫レストランを訪問。今回もJICA協力隊員のわかこさんが講師となり、日本語教室と折り紙教室が開催されました。前回同様、従業員のほぼ全員が意欲的に参加していました。
今回は折り紙教室も行われ、参加者たちは初めて折り紙を体験し、箸置きや箸入れ作りに挑戦しました。中にはあっという間に作ってしまう従業員もおり、改めてマダガスカル人の手先の器用さを感じました。今後、レストランでは折り紙で作られた箸置きや箸入れを使用する予定で、お客さんが気に入れば持ち帰ることもできるそうです。
また現在、雫ではオーナー兼シェフの庄司さんのアイデアにより、新たに寿司バーが設けられました。お客さんは、庄司さんが寿司などを準備する様子を目の前で楽しめるようになります。さらに、アルコールを提供するバーや個室も現在準備中とのことで、完成がとても楽しみです。