07/02/2026
๐ต๏ธโโ๏ธANTANANARIVO RENIVOHITRA : OLONA DIMY VOASAMBOTRY NY POLISIMPIRENENA MANAO FANAMIANA SIVILY, TRATRA AMBODIOMBY TAMINโNY HAROM-PAOSY
๐จAdy aminโny tsy fandriampahalemana
๐Ny 5 Febroary 2025 teny Anosibe, tokony ho taminโny 11 ora maraina, nandritra ny fisafoana nataonโny Polisy manao fanamiana sivily dia lehilahy efatra no tratra ambodiomby taminโny harom-paosy teo aminโny lalam-by akaikinโny ยซ Colas ยป.
๐Nentina avy hatrany teny aminโny Kaomisaria Boriborintany fahadimy izy ireo hanaovana fanadihadiana.
๐ฅทTetsy Analakely kosa, tokony ho taminโny 12 ora atoandro, lehilahy iray no voasambotry ny Polisy avy ao aminโny Unitรฉ dโIntervention Rapide (UIR) noho ny sinto-mahery.
๐ฎโโ๏ธEfa niharan'ny fitsaram-bahoaka ity mpanao sinto-mahery ity saingy tonga ny Polisy nandamina ny toe-draharaha. Ny SUT Tsaralalร na no mandray ny fanadihadiana momba azy.