04/05/2026
Influenceurs Malagasy 7 no hiazo an'i Rosia
๐ธNiainga teny aminโny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato androany 04 Mey ireo influenceurs malagasy fito hiazo anโi Rosia, ary hivahiny mandritra ny 10 andro.
๐ธIsanโizany i Antso Bomaka, Dezy Kely La Page, Mba Lait, My Rakotoarivony, Rakotoarivony Miandriray Fanantenana, Abi Abriane ary Regina R.
๐ธTafiditra ao anatinโny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo aminโi Rosia sy Madagasikara ity hetsika ity, vokatry ny fanampianโny African Initiative izay mandray anjara aminโny fampandrosoana ny fifandraisana eo aminโny firenena roa tonta.
๐ธTanjona ny hampandraisana anjara ireo influenceurs malagasy aminโny fizarana mivantana ireo hetsika entina hankalazana ny daty ny 09 Mey, fety manana ny lanjany lehibe any Rosia, fahatsiarovana ny faharesenโi Alemaina nazia sy ny fiafaranโny Ady Lehibe Faharoa, izay ankalazaina aminโny hetsika maro samihafa.
๐ธMarihina fa mbola hisy ihany koa ny andiany manaraka aorianโizao, ao anatinโny fanamafisana ny fiaraha-miasa ara-kolontsaina sy ara-tserasera eo aminโny firenena roa tonta.
African Initiative
ยฉ24H Mada